4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fofom-pofony ihany sisa - Erick Manana

Fofompofony ihany e, sisa no tavela

Dify ilay malala fa tsy tana

Lasa ny vinany, mangidy izay jerena

Niova lasy izy fa tsy tamana



Mahatsiaro ho verivery mamisavisa hira

Irony andro mamy fahizay

Tanisanisa irery dia very nandankira

Tsy mety mino hoe vita hatreo ny anay



Ny rivotra mitsoka manditsoka ny maso

Mivimbina alahelo feno latsa

Injao misononoka ny onjan’ny ankaso

Manaitra izany foko efa maratra


Partager fofom-pofony ihany sisa

Commenter fofom-pofony ihany sisa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite