4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza hilaozanao - Erick Manana

Aza hilaozanao e ! Raha mbola azo atao e

Aoka kely aloha mba mahaiza manindry fo

’Ty valizinao miangavy, miangavy aho mba apetrahao re

Dia mba meteza aloha, hiaino ahy faraparany

Ampio tosika aho e ! Hanavotana

Ity fitiavana ’zay nandorondoro ahy

Milela-paladia e, tena handoaliako iny !

Aza hilaozanao, aza hilaozanao



Fa moa ve mba fatantrao, fa tsinotsinona aho e

Raha tena ianao izao re no lasa midify ary ka mandao

Dia ny aiko no rovitra, ny saiko hipitsoka

Ny hoaviko ho potika, ho vita tanteraka ny amiko a

Tsy resaka anie io na sangy, fa tena ho zavatra tsy tanty

Ny hahita anao hidify hakary hanome lamosina

Milelapaladia, tena handoaliako iny

Aza hilaozanao e



Aza hilaozanao e ! Raha mbola azo atao e

Aoka kely aloha mba mahaiza manindry fo

’Ty valizinao miangavy, miangavy aho mba apetrahao re

Dia mba meteza aloha, hiaino ahy faraparany

Ampio tosika aho e ! Hanavotana

Ity fitiavana ’zay nandorondoro ahy

Milela-paladia e, tena handoaliako iny !

Aza hilaozanao, aza hilaozanao

Partager aza hilaozanao

Commenter aza hilaozanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite