4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Io mba ahy - Erick manana

Io mba ahy

Ny angolam-peon'i Randafisaona anie
Ka miaka-sy midina
Tsy azo henoina andro harivariva re
ny fanahy no manidina

Tsara e, tsara ny hiran'ny taniko
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakaloko
Tsara e tsara ny hiran'ny taniko o
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakalo o

Io mba ahy o io mba ahy o io mba ahy o
Ka lolohaviko an-tampon'ny lohako e
Io mba ahy o, io mba ahy o, io mba ahy
Tsy ho avelako ho faty fa lovako e

Ny feom-balihan'i Rakotozafy anie
Tena mampiaiky volana e
Manakoako eran-tany eran-danitra e
Izay mandre azy torana e

(Miverina in-2)
Tsara e, tsara ny hiran'ny taniko
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakaloko
Tsara e tsara ny hiran'ny taniko o
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakalo o

Io mba ahy o io mba ahy o io mba ahy o
Ka lolohaviko an-tampon'ny lohako e
Io mba ahy o, io mba ahy o, io mba ahy
Tsy ho avelako ho faty fa lovako e

Erick Manana

Avy tamin'i Sahoby

Partager io mba ahy

Commenter io mba ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick manana

Suite