4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izato hakantonao re ry nosiko - Erick Manana

Izato hakantonao e ! o ry Nosiko !

Mahavariana loatra izay mandalo dia babonao avokoa

Na zovy na iza, avy lavitra, akaiky

Izay rehetra mahita dia ankona



Tazanina lavitra ô, miendrikendrika

tongotra an-kavia ao anaty dobo manga izy ho’aho

Tsy azonao veriko na iray minitra

ny hakanton’ny zavaboary raiketiny a !



Mirosoa lalindalina, ahirato ny maso roa

F’izay rehetra tazana, maha te-hioty avokoa

Ny masoandro mamiratra, voninao mivanitika

Manga lava ny lanitra

Ka iza ary no tsy hisalanitra ?



Tazanina lavitra e, miendrikendrika ô !

tongotra an-kavia ao anaty dobo manga izy ho’aho

Tsy azonao veriko na iray minitra

ny hatsaran’ny zavaboary raiketiny a !



Tsy azonao veriko na iray minitra

ny hakanton’ny zavaboary raiketiny a !

Partager izato hakantonao re ry nosiko

Commenter izato hakantonao re ry nosiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite