4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alahelo - Erick Manana

Mitsitaitaika ny fanitso

Merik’andro harivariva o !

Mandomando koa izany tany e

Malahelo anao mafy aho izany e !



Ela tsy hitahita ka mahatsiaro

Embona sy ny sento mifangaro

Ditsoka ny fo ka tomany e !

Hetraketra anao anie ry tany e !



Azoko an-tsaina ny misy anao

Manofinofy anilanao

Raha lanitra mangamanga ny any e !

Ny aty anaty haizina ny tany e !



Fikisaky ny ora mampifila

Tsapako ho ela be io vao dila

O ry ampitso mba malakilaky e !

Malahelo anao mafy aho izany e !



Ela tsy hitahita ka mahatsiaro

Embona sy ny sento mifangaro

Ditsoka ny fo ka tomany e !

Hetraketra anao anie ry tany e !



Mitsitaitaika ny fanitso

Merik’andro harivariva o !

Mandomando koa izany tany e

Malahelo anao mafy aho izany e !



Fikisaky ny ora mampifila

Tsapako ho ela be io vao dila

O ry ampitso mba malakilaky e !

Malahelo mafy anao aho izany e !

Partager alahelo

Commenter alahelo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite