4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza mba manary havana - Erick Manana

Aza mba manary havana e,

E ! Fa tsy mety e,

Ny havana havana ihany zareo o,

Odiana tsy hita ve izy fa kely o,

Aza mba manary havana e,

E ! Fa tsy mety,

Ny havana, havana ihany zareo o,

Ataovy am-pitiavana re fa tsy an-tery o,

Aza mba manary havana e,

E ! Fa tsy mety,

Sambatra izay be fitiavana o,

Izay mamy hoditra anie ka tsy ho very e,

Aza mba manary havana e,

E ! Fa tsy mety,

Ny havana, havana ihany zareo o,



Raha misy manjo o,

Raha misy tsy to o

Mahazo ny sasany ka mitady ny hivarimbarina an-kady

Aza avela handady izy e

Aza avela hijaly izy e

Tsy zanaky ny hafa izy ireo fa gasy ohatranao

Ka vonjeo fa mafy ady e !



Ka mahaiza mitsinjo re

Ka mahaiza mivimbina e

Tsy fidin’ny sasany ny mitafy gony, mitsimpona fako o

Fa isika iray tafo anie,

Maty iray fasana e

Tsy vato tsy akory ilay fonao mitempo

Tsy maintsy, tsy maintsy hisento !


Partager aza mba manary havana

Commenter aza mba manary havana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite