4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana kely - Erick manana

Fihetsika nampihodivitra
Lamba nielatra monja
Hanitra nentin'ny rivotra
Fitopin'ny zipo manonja.

Fitiavana kely nisisika
Fitiavana kely tsy levona
Toa zavatra manitikitika
Toa sery nirina hampihevina
Kinanjo nampiditra angano
Tonga afo tsy matin'ny rano.

Maso miherika foana,.
Tsiky niantefa tsy fidy
Eritreritra sendra tsaroana
Toa votsy mampangidihidy.

Partager fitiavana kely

Commenter fitiavana kely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick manana

Suite