4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho ento aho - Erick Manana

Ho ento aho ho anao irery

Rehefa izay no anjarako

Tsy hiady amin’izay lahatra aho

Raha hamindra moa ianao

’Zaho mba ho alokao



Ho ento aho,

Ho ento tsotra izao

Ho ento aho mba ho namanao

Iray lalana

na mora na ho sarotra

Hifanaraka

Eny, na hatrany am-pasana



Nofiko manomboka hatreto

Tafo iray no hialofana

Fo iray, hiray fidoboka

Na izaho na ianao

Hary elatra, te hikopaka



Ho ento aho,

Ho ento tsotra izao

Ho ento aho mba ho namanao

Iray lalana na mora na ho sarotra

Hifanaraka, eny na hatrany am-pasana



Ho ento aho ho anao irery

Rehefa izay no anjarako

Tsy hiady amin’izay lahatra aho

Raha hamindra moa ianao

’Zaho mba ho alokao

Partager ho ento aho

Commenter ho ento aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite