4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Barikavily - Erick manana

Barikavily e!!
Manetroka lava o!!
Tanàna tsy maty afo e!!
Tsy mifidy ora na toetr'andro
Rehefa hanokona e!!

Barikavily e!
Maresaka foana o!!
Ny "akory" sy "mandra-pihaona" e!!
Ny ady varotra ambodi-la gara
Toa vita lanonana e!!

Barawa sy felika
Polimoty sesika
Mosekiky tsara tono
Koban-dravina mifono o!
Menakely menafify
Mofo randrana ao mividy e
Ketsaketsa ambony vary
Ro mazava na lasary e!!

O! rahalahy
Ity misy resaka e!!
Faty-drà
Mba asio hevitra e!!
Betsabetsa fa matin-ketaheta hoaa!!

Partager barikavily

Commenter barikavily

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick manana

Suite