4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ron'anana - Erick Manana

Hialangalana ve ianao sa hiditra e ?

Hitazan-davitra fotsiny sa hirotsaka e ?

Satria ron’anana ve ny laoka de hianjona e ?

O Mandrosoa f’izay masaka eo sasahana e !



Fa ny aty tsy mba tahaky ny any ô !

Mahitahita sy bebe saosy vao namana o !

Fa ny aty soa ihany fa tsy izany o !

Ny fihavanana aloha vao ny sisa ambiny o !



Zao no kely mba sisa am-pelatanako e

Mandraisa ankalana f’hiarahantsika homana e !

De tena kely de kely indray mandrapaka e !

Fa ny fo manolotra kosa ho’aho de gôzabe



Hialangalana ve ianao sa hiditra e ?

Hitazan-davitra fotsiny sa hirotsaka e ?

Satria ron’anana ve ny laoka de hianjona e ?

O Mandrosoa f’izay masaka eo sasahana e !



Hialangalana… sa hiditra e ?

Partager ron'anana

Commenter ron'anana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite