4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy hafa - FARAH BAMBS

Bambs:
Ianao raha mandinika tsara, vokan''ny drala miloka ry zalah
Izy tsy madraharaha na dia efa tsy anjara,
nefa any misy zara raha, amin'ny firy mifoha mikiry, misy tahiry
sahirana dia atao hoe misitaha ery

Farah :
Ianao mahatsapa fa mijaly anaty fiarahamoninaOlana ara-pianakaviana efa iarahana mionona aminao
An-tasainao fety foana ny fianana isan'andro
F'any zandry kely hitady kaly androany hoany androany

Bambs:
Dia misy mifanatsaf fa mahatsapa fa
Rehefa ela tsy nitsako, mitaky hatramin'ny vatana manakotsako
Dia rehefa ela ny ela eny antsaefatsefany eny
Mosarena satria ny asa efa tsy efan''ny hery
Dia henoy ity: tafita ny hafa amin''ny diplaoma tsy tambo isaina
Fa saino! ny hafa ny ABD tsy haran''ny sainy
Dia saino : Mozika no antompiveloman''ny atsy
Nefa ny eroa na sioka tokana aza tsy voakajy

Refrain:

Handalovanao izany
Na ratsy na tsara
Fiainana daholo izany
Misy ny ambony rahateo
Tsy lazaina ny ambany
Fiainana daholo izany


Farah:
Hitanao,f'izy misaona ao am-po
Rasoa indray tera-bao, misy fety ka mifampirary soa
Izy, nahita akama latsa-dranomasom-pifaliana
Izy, latsa-dranomaso nilaozan'olon-tiana

Bambs:
Dia ianao manambitamby f"'izy toa manevateva
Ianao toa manetry tena, ny azy toetra tsy maneva
Na miantso ny Avo, na miantsy ny Avo, io asakasakao
Misy vokany avy ireo fa fakafakao

Farah:
Raha tsapanao f'izy iny anisany kamboty amin'ireny
Nefa ianao aty tsy sasatry ny manimbazimba ray sy reny
Firy?!Reo zatra mpanao toetra tsy zaka
Aminah ny fitadiavana hafanana mie-lalim-paka
Izy,sipa tsisy anjara @fitia
Nahoana ny atsy tsy mahay mihonona,antsoina koa hoe mpilalao fitia
Izy,manirery mila namana anao
Indrisy !Fa nolavinao ny faniriany

Refrain:
Handalovanao izany
Na ratsy na tsara
Fiainana daholo izany
Misy ny ambony rahateo
Tsy lazaina ny ambany
Fiainana daholo izany

Bridge:
Indraindray eny an-dalana eny raha mijery ianao
Misy mifaly,misy mitomany
Nefa anjaranao ihany no mieritreritra
Hoe aiza ny ho toeranao


Bambs:
Sanatria io ho tandra vadin-koditra ka hoe izay no izy
Indrisy samy mety ho voa IZAHO, IANAO, IZY
Jereo izy, ny tananao tolory azy
Mijoroa fa fanantenana tsy hahavoasazy

Farah:
Tandremo fa ny ambany androany mety ho lasa ambony rahampitso
Efa mampandre anao anie zay zah!
Inoako fa ny ambony androany hitsinjo ny ampitso
Isika rehetra anie samy ho ray rà

Bambs:
Ny masoandro mihiratra hodimbiasin''ny andro miditra
Ny tsy hita isa mety ho tsy hita intsony mihitsy ka...
Eh ......... mba saino ihany!
tsy hatao hahakivy io na fianinana aza izany

Farah:
Fiainana daholo izany!
Fa mahaiza mifampihaino @fo na dia samy hafa ihany
Fandeferana no tokony hibahana
Aminao sy ho anah na tsisy fitoviana vahana


g]Refrain:
Handalovanao izany
Na ratsy na tsara
Fiainana daholo izany
Misy ny ambony rahateo
Tsy lazaina ny ambany
Fiainana daholo izany

Bridge:
Indraindray eny an-dalana eny raha mijery ianao
Misy mifaly,misy mitomany
Nefa anjaranao ihany no mieritreritra
Hoe aiza ny ho toeranao



Studio : Rhayo
F'tona : 09 Mai 2008
Son: Bil & Rajdy

Partager samy hafa

Commenter samy hafa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FARAH BAMBS