4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy - Lalatiana

Nanonofy anao aho tamin'izay
nitsingevana ambony ianao
Rahona no ipetrahanao
Ny kintana ataonao kilalao

Nanonofy anao aho tamin'izay
Tanana no natolotrao ahy
Handray ahy ho eny aminao
Ny kintana ataontsika kilalao

Avy aty hoy ianao
Ho ety ambony rahona
Fa ety no omeko anao
Omeko anao zao tontolo izao

Dia nifoha tamin'izay ary aho
Niandrandra nitazana anao
Hay nanonofy anao fotsiny aho
Nitsiky kely aho
Raha mba teto koa mantsy ianao

Partager nofy

Commenter nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite