4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ombalahy - Rolf

OMBALAHY


Teraka teto Madagasikara aho Mbola kely dia efa nanidina tany amin’ny sisiny aho Nahita gadona bobaka eran’ny tany Natambatro ho ahy izay mba tiako ka nentiko avy any

Tafaverina àry aho, feno ny kitapoko Nitrandraka ireo fakako sy ireo vakoko Ela ny ela ka izay vao voatsakotsakoko Aleo avoaka amin’izay ilay adalàko...

SALEGY FUNK ny anarany, tsy ho vitan’ireo be kintana Raha tazotazomin’ialahy izy, tsy tàna vao mainka miridana Ka alaivo tahaka raha mahasahy fa io dia tsy ho zakan’ialahy Hainoy tsara ka ankafizo, avoahay ilay biby ao anatin’ialahy e!

Boay kely teto Madagasikara aho Ela be no niodina tany amin’ny sisiny aho Nitendry gadona bobaka hitako tany Mavesatra ihany no tena tiako tamin’izany

Fa raha ny amiko manokana aloha dia aleoko manao izay nataon’ny sasany Hamerina ny efa vita ve sa hamorona sy haka fafiny? Fa sady leo aho no kivy aho no sosotra mihaino mijery ireo haino amanjery Ka naleoko nalamina kely fa raha vao misisika vao mainka tery

Mitaky talenta io mitaky fahaizana fa tsy ataotao foana Fa tsy resaka vola sy matrakazy no andeha hampiteny ny moana Fa ny antsika moa raha vao sendra miteny, lazaina hoe “miseho milay” Tsisy resaka tiana io zalahy fa mahay na tsy mahay!

Efa tsy hay dia tsy atao, izany no tena teny filamatra Hampandrosoana an’i Dago dia aleo ny matianina no asandratra Tsy hanaonaonao foana fa miasa sady mikaroka Ho hitanao eo ny vokany: ombalahy be tandroka e!

ROLF

Partager ombalahy

Commenter ombalahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite