4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bandy keliko - ROLF

BANDY KELIKO


Vao misokatra ny masoko ny maraina, mahita an’ là
Na amin’ny firy izany na amin’ny firy vao tafody aho
Fa sombin’ny aiko ialahy, tia an’là ho’aho izaho, ô ry bandy keliko

Ela ihany izay no niandrasako hatongavan’ialahy
Ka tsy mba ho irery intsony aho mandrakizay
Fa sombin’ny aiko ialahy, tia an’là ho’aho izaho, ô ry bandy keliko

Manana mpandova ny tenako
Hitohy ny fiainako
Bandy kely tiako loatra
Ho lehilahy lehibe sy hanana ny lalany ho azy irery

Ho maro dia maro ny zavatra ho tian’ialahy
Izaho mahatoky, izaho foana hanohana
Fa sombin’ny aiko ialahy, ho eo foana aho ho an’ialahy, ô ry bandy keliko

Ho atrehako daholo ny dingan’ny fiainan’là
Ra mbola eto an-tany ny tenako, ho eo foana aho
Fa sombin’ny aiko ialahy, ho eo foana aho ho an’ialahy, ô ry bandy keliko

Manana mpandova ny tenako
Hitohy ny fiainako
Bandy kely tiako loatra
Ho lehilahy lehibe sy hanana ny lalany ho azy irery

Ho lasa alohan’ialahy izaho indray andro any
Ny iraisantsika roa lahy hitoetra hatrany
Fa sombin’ny aiko ialahy, ho eo foana aho ho an’ialahy, ô ry bandy keliko
Fa sombin’ny aiko ialahy, tia an’là ho’aho izaho, ô ry bandy keliko
Fa sombin’ny aiko ialahy, ho eo foana aho ho an’ialahy, ô ry bandy keliko


ROLF

Partager bandy keliko

Commenter bandy keliko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite