4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiala - Rolf

HIALA





Be ny olom-bizaka, te hiova fiainana
Mieritreritra fa hoe « any an-kafa no ho sambatra aho
Mba hevero kely anie, ny hilaozanao no be
Izay miandry aloha, tsy hay
Fa ny handeha no mahamaika anay

Ka te hiala zaho o, hifindra toerana
Handeha zaho o, dia tsy hiverina
Hihetsika aho o, hanavao hevitra
Ny fandalovako eto an-tany, ho adinon’ny tomany sy ny aloka



Be ny olona mandrevy, te hiaina fiainam-bazaha
Ry zareo koa anie mandrevy zavatra hafa hoatran’ny anao o
Tsy mety faly isika rehetra, na ny manana na ny ritra
Tsy maintsy matin’ny hetahetan’izay tsy mbola anànana

Ka te hiala zaho o, hiova toerana
Handeha zaho o, dia tsy hiverina
Hihetsika aho o, hanavao hevitra
Ny fandalovako eto an-tany, ho adinon’ny tomany sy ny aloka



Be ny olona izay kivy, leo ilay toerana misy an’azy
Mahita sary be loko sy jiro, dia vao mainka maizina ny an’aho o
Jereo anie i Lery manana an’io, maninona aho no tsy manana
Ny misy ahy ve no tsy mety sa... izaho ? te hiala aho




ROLF

Partager hiala

Commenter hiala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite