4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavanao - Rolf

FITIAVANAO





Tsy te handao anao intsony aho mandram-pahafatiko
Tsy ho amelako itsony ianao, ela niandrasako
Be loatra, be dia be ny soa efa voaraiko
Ka n’inon’inona hiatra re, ny sary efa ato amiko

Ka te tsy hitomay intsony aho, ho faly ireo namako
Maniry, miandrandra mafy hoe : ho azoko ilay lanitro



Ref : AMPY NY TOMANY, FITIAVANAO MAMY



Tsy mahafoy anao intsony aho f’izay no anjarako
Ny ho aviko zaraiko aminao, izany no hivavahako
Raha sanatria laozanao aho, tsy ho faty, tsy ho levona
Tsy hitsahatra ny hitempo ny foko, fa harary sy ho enjana

Ka tsy hitomany intsony aho fa hitsaoka fitiavana
Hijanona ety ambany ety e, tsy hitazana intsony ilay lanitro



Ref : AMPY NY TOMANY, FITIAVANAO MAMY


« Tsy mahafoy ahy intsony ianao, f’ianao no anjarako
Tsy ho amelanao intsony aho, ela niandrasako
Be loatra, be dia be ny soa efa voaraiko
Ka n’inon’inona hiatra re, ny tsara efa lasako »

Partager fitiavanao

Commenter fitiavanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite