4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Havan –tiako - Rolf

HAVAN –TIAKO





Tanora ianao, izaho mbola tsy tranainy
Fa ny fitiavako anao re, tsy azony, tsy hainy
Niady mafy ny saiko, tsy nahafantatra izay atao
Fa iza no miteny hoe akaiky ny ràn’izaho sy ianao ?

Fa tsy ny fitiavana ve no nitaizana antsika ?
Eny mitovy isika roa re, mifankatia tsisy fika
Niady ela ny saiko, fantatro izay atao izao
Ny fitia no mafy ry aiko, jamba tsy mifidy hoe iza ianao


Havan-tiako izy e ! tsy anabaviko, tsy cousine e
Olon-tiako izy e ! tsy mahasaraka anay n’inon’inona e


Fa raha ohatra hoe izao izany : ny olombelona eto an-tany
Mijaly mitady ilay olon-tiana, hasambarana tsy ho hita rahoviana rahoviana
Misy koa ny hoe mpivady tsy misy fitiavana
Misaratsara-poana re, nefa tsy atao hoe mpihavana

Avelao izahay hiaraka
Avelao izahay ho sambatra
Avelao izahay hifankatia
Avelao izahay hitambatra


Havan-tiako izy e ! tsy anabaviko, tsy cousine e
Olon-tiako izy e ! tsy mahasaraka anay n’inon’inona e




ROLF

Partager havan –tiako

Commenter havan –tiako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite