4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Filoha - Rolf

FILOHA



Ny tiako ho lazaina aminao, mpitondrako
Dia aza adino izahay olon-tsotra ety
Na iza ianao na iza, miangavy re tompoko ô
Ny Malagasy arovy fa malagasy ianao

Nampahatran’ ireo mpitondra taloha ny taniko
Nodoran’ireo fatin’alika ny tanetiko
Fanjakan’ny vahiny
Ny mba ho ataoko dia inona ?

Mihira no hery mba anànako
Ka mba ampiasao izay mety ho herinao koa
Aza manaiky, tohery ilay fakam-panahy
Hitondra mody, Neny ô ! Hifoaka mody, Baba a !

Ny faniriako amin’izao dia mba ho foana
Ny fitiavan-tenan’ny manana, ny finononononoam-pôana
Fihatsaram-bela-tsihy
Ho aiza ity tanintsika ity ?

Mihira no hery mba anànako
Ka mba ampiasao izay mety ho herinao koa
Aza manaiky, tohery ilay fakam-panahy
Hitondra mody, Neny ô ! Handroaka mody, Baba a !

Mahatoky anao àry aho ry mpitondrako
Ireny olona miaina toy ny biby, an-drenivohitro
Aza adino e, izay no vitako
Izahay koa hiezaka tsirairay...

Mihira no hery mba anànako
Ka mba ampiasao izay mety ho herinao koa
Aza manaiky, tohery ilay fakam-panahy
Hitondra mody, Neny ô ! Hifoaka mody, Baba a !


ROLF

Partager filoha

Commenter filoha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite