4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lanitra - Rolf

LANITRA


Ô, aika ny hahita anao aho
Maika ny tonga any aho
Tonga haka anao aho

Ô, mafana ny foko
Afanainao ny foko
Tia anao ny foko

Ô, hiezaka mafy aho
Hanao izay mety aho
Hahasambatra anao aho

Tsy hampanantena anao lanitra aho
Fa izay keky vitako, ho anao tsy isaiko

Ô, io aloha io ianao
Miandry ahy ianao
Tia ahy ho ahy ianao

Ô, hainoy aho ry Raiko
Izy irery no mba haiko
Ampihira ny aiko

Ô, raha hamela taranaka aho
Izy irery no avelako ho reny
Izy irery no hanambara amiko hoe « eny »

Ô, hoatran’ny hoe manonofy aho
Hoatran’ny hoe tsy te hifoha aho
Aza fohazina fa tena tia aho

Tsy hampanantena anao lanitra aho
Fa izay keky vitako, ho anao tsy isaiko

Ô, maika ny haka anao aho
Maika ny ho tonga any aho
Satria tia anao aho...

ROLF

Partager lanitra

Commenter lanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite