4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fihavanana - Rolf

FIHAVANANA





Ry Tanindrazanay malala ô, Madagasikara
Ny fitiavanay tsy miala ho anao...


Fa nahoana isika Malagasy no mbola manaonao foana?
Tsy manaja izay teny nomeny fa vao mainka mifanimba
Aiza ilay firaisankina? Fitiavan-Tanindrazana?
Tsy naleo ve nangina? Fa vao mainka mifamono


Fihavanana no vazavazaina, aiza izao isika? Iza ihany izao no hitaraina fa vao mainka mahantra
Fihavanana no dradradradraina, aiza izao isika? Iza indray izao no hitaraina fa vao mainka mahantra


Fitiavan-tena no manjaka, fihatsarambelatsihy
An’ny vahiny ny laka, fa isika, vao mainka mifanimba
Ny harena an’ny vitsy anisa, tsy te hizara
Fifankatiavana tsy misy, fa vao mainka mifamono


Ry Tanindrazako malala, Madagasikara
Ny fitiavako tsy miala ho anao






ROLF

Partager fihavanana

Commenter fihavanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite