4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanantenako - Rolf

FANANTENAKO



Ho tanteraka ve ny fanantenako ?
Ho tanteraka ve ilay faniriako ?
Hi tonga nofy ve ilay nofinofiko ?
Hifankahita aminareo izay mba mihaino ahy
Hitantaràko aminareo ny tena momba ahy

Ho menatra ve sa tena hanala ?
Ho entitra be ve sa ho adaladala ?
Hampitomany ve sa hampifaly ?
Ny hifankahitàko aminareo izay mba tia ahy
Ho tantaraiko aminareo ny tena momba ahy

Na oviana na oviana
Ny ao am-poko ao
Efa misy fifaliana
Dia ho tsaroako izao dia be ny ho avy

Tafita any tsara ve ny aingam-panahiko ?
Teny tsotra ihany no fampiasaiko
Tsy andriko nefa atahorako
Ny hifankahitàko aminareo izay mba mihaino ahy
Ny hitantaràko aminareo ny tena momba ahy

Na oviana na oviana
Ny ao am-poko ao
Efa misy fifaliana
Dia ho tsaroako izao dia be ny ho avy

Dia rahoviana indray no ho averintsika
Ny fotoana toy izao, feno tsiky
Iriako hitohy hatrany an-koatrako
Ny nifankahitàko taminareo izay mba nihaino ahy
Notantaraiko taminareo ny tena momba ahy
Ny nifankahitàko taminareo izay tena tia ahy
Efa fantatrareo ny mombamomba ahy

ROLF

Partager fanantenako

Commenter fanantenako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite