4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mbola nisy - FEFI

A/C: Sacha Ratianarivoson

HIRA FANEVA FAHA 20 taona



Tsy mbola nisy hafalaina toy izao hatram’izay

Nanompoanay an’i Jesosy Tomponay

Notantanany, tamin’ny tanany

Nosakambininy tamin’ny sandriny



Notinafy hery mba ho mpanompony

Endrey fa nandresy nifanesisesy fa tsy resy

Raha nanatrika ny fahavalo

Mihoatra ny mpandresy, izay miaraka aminy

Tsy manana izany hoe ahiahy

Fa mahatoky azy



Izahay zao dia mino

Fa Jesosy  no nanafaka ireo izay solafaka

Sy ireo latsaka tanaty lavaka

Haleloia x4



2. Tsy mbola nisy lalàna na fahefana

Nanaronana ireo fahagagana

Maro no torotoro fo

Ka tena niova tokoa

Ka nanolo-tena hanara-dia an’i Jesoa soa



Notinafy hery mba ho mpanompony

Endrey fa nandresy nifanesisesy fa tsy resy

Raha nanatrika ny fahavalo

Mihoatra ny mpandresy, izay miaraka aminy

Tsy manana izany hoe ahiahy

Fa mahatoky azy



Izahay zao dia mino

Fa Jesosy  no nanafaka ireo izay solafaka

Sy ireo latsaka tanaty lavaka

Haleloia in-10


Partager tsy mbola nisy

Commenter tsy mbola nisy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite