4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry jehovah tompon’ny maro - FEFI

Ry Jehovah tompon’ny maro

Ry Andriamanitra tsy azo afangaro

Am’ireo Andriamanitra maro zay hita

Am’izao tontolo izao

Andriamanitra tokana monja

Valim-bavaka tena mafonja

Ho an’izay mitaraina sy miantsoantso

(miantsoantso) amin’ny fony

Miantso anao miantso anao ny olonao

O mba midina ianao

Mafy dia mafy izao manjo anay izao

Noho ny ratsy natao

Lanin’ny menarana afo izahay

Maina mangetaheta mafy ny fonay

Maty mosary aza indraindray

Ka vonjeo vonjeo ry Ray

Raha miasa ianao (iza iza moa)

No hahasakana anao (eny Ray Tsitoha)

Aoka hitsotra ny tananao

Ho famelomana anay

Tsy mba mitaredretra ianao

Raha mitaraina ny mpanomponao

Partager ry jehovah tompon’ny maro

Commenter ry jehovah tompon’ny maro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite