4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ray o! misaotra - FEFI

RAY O! MISAOTRA



Ry Tompoko! Sy Andriamanitro

Ianao no asandratro

Ary hanandratako, izany fanahiko

Dia noho Ianao

Namaly vavaka ahy

Sy namelona indray ity

Reraka am-panahy



Ny aretiko izay nandazo ahy

Nanasitra Ianao

Ary koa nanafaka ahy

Tamin’izany Ianao

Ny fatotra izay nangeja ahy

Ankehitriny novahanao

Tena afaka aho izao



Ref.:

Atao ahoana (Ry Tompo atao ahoana e)

Ny hisaotra ANAO (Ny hisaotra Anao)

Tsy ampy foana (tena tsy ampy foana e)

Ny andro hiderako Anao

Te hiantso aho (te hiantsoantso aho)

Hikiaka hoe (te hikiaka hoe)

Ray o! Misaotra (Ray ô!Ray ô! Misaotra e)

Misaotra Anao (Ray ô! Misaotra Anao)

Partager ray o! misaotra

Commenter ray o! misaotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite