4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nandao anao - FEFI

Nandao anao aho ry Tompo be fitia

hiverina aho ho eo akaikinao hitoetra aminao ho doria

tsaroako ny ngidin’ny ota, nafaitra tanatin’ny fo

fa ankehitriny kosa fitiavana tsy mety lo



Nandalo ireo rendrarendra izay tena be mpankafy

voasarika aho fa lavitra anao, nanenina mafy tery

ianao anefa tsy nitahiry, na koa nanao an-dolompo

ny heloko impiry impiry navelanao avokoa



Ny heloky ny fahazazakao, ny heloky ny hatanorako

tsy haiko faritana avokoa, ianao no mahalala Jesoa

Inoako ny indrafonao, hanafaka ahy amin’ireo

ho tonga tokoa ny fotoana ny tavanao no hiseho

Partager nandao anao

Commenter nandao anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite