4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry iarivo tsy foiko - Erick Manana

Ry Iarivo tsy foiko ô

Ilay loharano mamy nipoirako e

Rahatr’izay ka ho avy ny anjarako

Hangina tsy hanako intsony ’ty gitarako



Nofinofiko farany e

Mba eo am-pelatananao no hifarana ny dia

Tsy ho taraiky an-tanin’olon-kafa ary

Fa tena hotafita raha ’zay no tanteraka



Tena hifonako, hifonako

Raha sendra nandao anao tampoka ô

Fitadiavana no naniraka e

Voatery niainga tsy fidiny aho e

Partager ry iarivo tsy foiko

Commenter ry iarivo tsy foiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite