4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maniditsidina aho - Erick Manana

Rehefa mba mitantana ahy ilay havako

maniditsidina aho e !

Miova volo avokoa mivolom-batosoa

izao rehetra izao e !



Ny tany aman-danitra miray feo amiko

mihirahira fitiavana

Katry ny hasambarana aho rehefa mba tantananao

Fokafoka adaladala e !



Sady jejo kely ery fa mba nahazaka andry

mavokely ilay fitia ô



Rehefa mba mitantana ahy ilay havako

maniditsidina aho e !

Miova volo avokoa mivolom-batosoa

izao rehetra izao e !



Ny tany aman-danitra miray feo amiko

mihirahira fitiavana

Katry ny hasambarana aho rehefa mba tantananao

Fokafoka adaladala e !



Sady jenitra ery fa mba nahazaka andry

mavokely ilay fitia ô



Rehefa mba mitantana ahy ilay havako

maniditsidina aho ry tony !

Miova volo avokoa mivolom-batosoa maniditsidina aho e !



Tany, ny lanitra, mihirahira fitiavana

Katry ny hasambarana aho rehefa mba tantananao

Fokafoka adaladala e !

Sady jenitra ery fa mba nahazaka andry

mavokely ilay fitia ô




Partager maniditsidina aho

Commenter maniditsidina aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite