4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho ato an-tsaiko - ROLF

Mitadidy ny lasa aho

Reo torimaso nandao

Dia hitako avy ireo lozako

Milahatra eo alohako eo

Tsy matin-kambo amin'ny tenako aho

Somary menatra aza

Nilaozan-tena ity sitrapo

Na mifanjeva ny maraina



Raha nitodika aorianako aho

Tsy te hiverina handositra

Ka ny ho avy sisa antenaiko

Mba hanasitrana ahy



Mila fanafody aho

Mba handamina ny saiko

Na mampatory io na tsy haiko

Fa tsy ho tadidiko intsony

Miady mafy aho mba hanadino

Ny alahelo tsy fanahy iniana

Tiako hatory ny saiko

Amin'ny nofy aho no mba miaina



Raha torimaso tsy hita fehezina

No hanadinoakao azy

Tsy ato an-tsaiko intsony (6 fois)



Izao hariva izao indray

Potika aho

Midodododo lasa saina, lasa setroka aho

Tsaroako daholo ireo fotoana soa

Hifikirako amin'ny fiainana

Tsy ho lo



Dia nikimpy ny masoko

Vao maika loza Izy no hita

Manavatsava ao an-tsaiko* Mitsiky amiko

Tiako fafana ao an'eritreritro  

Ilay nanasazy



Raha mitodika aorianako aho

Tsy te hiverina handositra

Ka ny ho avy sisa antenaiko

Ireo pejiko ho rovitra



ref....Mila fanavotana aho

Hahitako tory

Na ody gasy io na fahagagana

Dia tsy mandaitra intsony

Miady mafy aho mba halaviro

Ny alahelo tsy fanahy iniana

Matoria re ry saiko

Amin'ny nofy aho no mba miaina



Raha torimaso re miverena

Mba hanadinoako azy

Tsy ho ato an-tsaiko intsony (2 fois)


Partager tsy ho ato an-tsaiko

Commenter tsy ho ato an-tsaiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite