4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho ato an -tsaiko intsony - ROLF

TSY HO ATO AN -TSAIKO INTSONY

Mitadidy ny lasa aho, ratorimaso nandao
Dia hitako avy ireo lozako, milahatra eo alohako eo
Tsy mati-kambo amin’ny tenako aho, somary menatra aza
Nilaozan-tiana tsy sitrapo, ka mifanjevo ny maharary

Raha mitodika ao aorianako aho, tsy te hiverina, handositra
Fa ny ho avy sisa antenaiko hanasitrana ahy
Mila fanafody aho, handamina ny saiko
Na mampatory io na tsy haiko, mba tsy ho tadidiko intsony

Miady mafy aho mba hanadino
Ny alahelo tsy fanahy iniana
Tiako hatory ny saiko
Amin’ny nofy aho no mba miaina

Ratorimaso tsy hita, very, mba ho anadinoiko an’azy
Tsy ho ato an-tsaiko intsony

Izao hariva izao indray toa potika aho
Mitotototo lasa saina, lasa setroka
Tsaroako daholo ireo fotoana soa
Hifikirako amin’ny fiainana tsy ho lo
Mikipy ny masoko, vao may loza, izy no hita
Manavatsava ao an-tsaiko, mitsiky amiko
Tiako ho fafaina amin’ny eritreritro
Ilay nahalasa azy...

Raha mitodika ao aorianako aho, tsy te hiverina, handositra
Fa ny ho avy koa mampanahy, mampangovitra
Mila fanavotana aho, ahitàko tory
Na ody gasy io na fahagagàna, tsy mandaitra intsony

Miady mafy aho mba hanadino
Ny alahelo tsy fanahy iniana
Matoria re ry saiko
Amin’ny nofy aho no mba miaina

Ratorimaso re miverena mba ho anadinoako an’azy
Tsy ho ato an-tsaiko intsony
ROLF

Partager tsy ho ato an -tsaiko intsony

Commenter tsy ho ato an -tsaiko intsony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite