4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompony - ROLF

TOMPONY




Hira avy amin’ny fanahy, efa nisy hatramin’izay
Olo-mainty mihira, tonga ao am-ponay
Manokatra ny fo sy mampivavaka
Izy ireo no tompony, hajaina mandrakizay
Izy ireo no tompony, hajaina mandrakizay


Hira avy ao anatin’ny fo, nataon’izy ireo taloha
Hotohizinay ny hira, izany no fivavahanay
Toa mahabe fitia sy mampitambatra
Izy ireo no tompony, hajaina mandrakizay
Izy ireo no tompony, hajaina mandrakizay



Nefa maro ny fahavalo manopa azy ireo
Mikalokalo fati-kira manimba sofina
Mamiravira, maka tahaka, nefa
Izy ihany no tompony, hajaiko mandrakizay
Izy irery no tompony, hajaiko mandrakizay



Hira tonga lafatra, tonga hatrany an-danitra
Izy ireo no tompony, hajaina mandrakizay
Izy ireo no tompony, hajaina mandrakizay


ROLF

Partager tompony

Commenter tompony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite