4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toe-tsaina - ROLF

TOE-TSAINA



Mba lazao izay tianao tenenina aza kobonina ireo zava-dratsy manahirana ny sainao

Avelao ilay toe-tsaina mampiady aza tazomina ny fotoana mandeha dia mampiakatra azy

Ireo olana izay terak’ity toe-tsaina mpanafinafina zava-tsotra lasa loza efa ela ny ela

Adino daholo re ny zava-tsara ato an-tsaina tototry ny ratsy mavesatra ao an-dohan’ilay malemy



Izay manontany dia valinao hoe « tsy misy n’inon’inona » tsy misy zava-dratsy manahirana ny sainao

Ianao mitomany izao vao fantatra fa sempotry ny fahatezerana, voro-damba sisa no azoko omena

Ny manome tsiny re dia mora noho ny mahatsapa hoe « diso aho hatramin’izay », ny fotoana tsy hiverina hanarinako azy

Ilay toe-tsaina ho’aho ovay tsy ho anenenanao tsy hisy intsony ny ady izay vokatr’izao toe-tsaina izao

Partager toe-tsaina

Commenter toe-tsaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite