4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toe – tsaina - ROLF

TOE – TSAINA







Mba lazao izay tianao hotenenina, aza kobonina
Ireo zava-dratsy manahirana ny sainao
Avelao ilay toe-tsaina mampiady, aza tazomina
Ny fotoana mandeha dia mampiakatra azy

Ireo olana izay terak’ity toe-tsaina mpanafinafina
Zava-tsotra lasa loza efa ela ny ela
Adino daholo ny zava-tsara ato an-tsainy tototry ny ratsy
Mavesatra ao an-dohan’ilay malemy


Toe-tsaina io


Izay manontany dia valinao hoe tsy misy n’inon’inona
Tsy misy zava-dratsy manahirana ny sainao
Ianao mitomany, izay vao fantatra fa sempotry ny fahatezerana
Voro-damba sisa no azoko omena

Ny manome tsiny dia mora noho ny mahatsapa hoe diso aho hatramin’izay
Ny fotoana tsy hiverina anaovako azy
Ilay toe-tsaina hoy aho, ovay tsy ho anenenanao
Tsy hisy intsony ny ady izay vokatr’izao toe-tsaina izao



ROLF

Partager toe – tsaina

Commenter toe – tsaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite