4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tany - ROLF

TANY




Ity tanintsika jerena fa aza variana ianao
Mitady ireo harenan’izao tontolo izao
Io rano io no aina fa aza variana ianao
Aza avela ho maina ho an’ny taranakao

Andramo kely anie ilay hoe “Fihavanana”
Dia ho rava indray mandeha ireo fanimbàna


Arovy ny Tany, tsinjovy ny Tany, aza amidy ny Tany
Ilevanantsika jiaby io leretsy e


Ny rivotra ho lany fa aza maika ianao
Handoro solitany, setroka rehetra izao
Ny loto hialàna fa aza kamo ianao
Hanary fahatany ny fakofakonao



Ny eto an-tany atsaraina fa aza maika ianao
Hamonjy lanitra an-tsaina, jereo ity zanakao
Aleo aho aloha hatory fa tena reraka
Ny foko torotoro ho an’ireo manaraka...







ROLF

Partager tany

Commenter tany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite