4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarotra be ny hoe ... - ROLF

Tonga izaho dia hiteny f’aza raisinao ho ratsy

Tonga dia hotsoriko f’izaho dia efa zatra

Ny fomban’ireo vehivavy mpampijaly sy mpandratra

Tsy ho voahidiny intsony ty foko efa nigadra



Tonga izaho dia hitsoaka tsy ho tànany intsony

Na tonga izy dia voaroaka tsy ilaiko intsony

Nahoana ny samy olombelona no hifanindry toy izany

Toa tena sarotra atelina ty fitiavana efa lany



Tiako amboarina kely ny toetran’izy ireo

F’iza moa aho no handahandahatra

Ireo izay toy ny anjely toa devoly rahateo

Nef’izaho miteny





Fiv:



Sarotra be ny hoe tsy hila azy intsony

Henjana be ny hoe tsy tia azy intsony

Mazana be ny hoe hiaina tsy hisy vehivavy





Tonga izaho dia niova fa tena tsy tantiko intsony

Ireo lambako efa niofo ny ranomaso tsy hitony

Avelako ireo fiafiana sy fandeferana

Izaho tsy hangingina sady hotadiavina



Tonga dia omeko raha mitaditady hialona

Raha sendra misekoseko izaho ratsy fanahy

Raha mampifilafila ny saina amboarina

F’izaho tena tsy mila ampitonatonanina



Tiako amboarina kely ny fisainan’izy ireo

F’iza moa aho no handahandahatra

Ireo izay toy ny anjely toa devoly rahateo

Nef’izaho miteny





Fiv:



Sarotra be ny hoe tsy hila azy intsony

Henjana be ny hoe tsy tia azy intsony

Mazana be ny hoe hiaina tsy hisy vehivavy




Partager sarotra be ny hoe ...

Commenter sarotra be ny hoe ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite