4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra - ROLF

SAMBATRA


Ireo nofinofy omeko anao
Ho valin’ny zava-tsoa azoko taminao
Fitiavana matotra, tsy adalàna intsony
Ho anao avokoa ny fiainako...


Ny takatry ny saiko, ny heriko
Ho atambatro ho vato ato anatiko
Rehefa sambatra aho dia hozaraiko aminao ny elatro
Hisidintsidina isika roa eny an-danitro


Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako manantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo an’iza n’iza
Hoavadiko irei pejy maizina rehetran’ny tantarako


Ny voady sy ny toky, tsy homeko
Ny hitia anao mandrakizay, tsy ho teniko
Tsy ny resaka fa ny ataoko no ho foiko ho anao re
Misy fetra ny zava-drehetra eto an-taniko, fa...


Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako manantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo an’iza n’iza
Hoavadiko irei pejy maizina rehetran’ny tantarako

Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako manantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo an’iza n’iza
Hoavadiko irei pejy maizina rehetran’ny tantarako

Ity fiainako manantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo an’iza n’iza
Hoavadiko irei pejy maizina rehetran’ny tantarako

ROLF

Partager sambatra

Commenter sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite