4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - ROLF

Nitondra sivy volana

Niankindridrina irery

Nanamaivana ireo olana

Nahaizana niteny



Nampianatra ny ABD

Loharanon’ny fitia

Ny fiainana mihintsy no tsy hita

Raha tsy taminy



Ireo anatranatra

Faniriana ho tonga lafatra

Matoa aho toy izao

Dia teo foana ianao



Manome fifaliana

Nisotro ilay rano tsy tiana

Raha sendra tomany

Ianao teo hatrany





Ref.

Neny o mankasitraka anao

Lay fitiavanao ts mba misy fitaka

Neny o , isaorana ianao

Hankalazaina eto antany ny anaranao

Hivavahako lay Ray ao ambony ao

Hitantana sy hitahy

Ho ela velona ianao



Nampianatra ny ABD

Loharanon’ny fitia

Ny fiainana mihintsy no tsy hita

Raha tsy taminy



Fanomezana tsara indrindra

Nohindramina ny hira

Nasiana feo ireo fehezanteny

Porofompitiavanao ry Neny



Nanome fifaliana

Nisotro rano tsy tiana

Raha sendra ny tomany

ianao teo hatrany



ref.



Kiady & Rolf

Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite