4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarotra be ny hoe - ROLF

SAROTRA


Tonga izaho dia hiteny f’aza raisina ho ratsy
Tonga dia ho tsoriko f’izaho dia efa zatra
Ny fomban’ireo vehivavy mpampijaly sy mpandratra
Tsy ho voahidiny intsony ity foko efa nigadra

Tonga izaho dia hitsaoka ka tsy ho tanany intsony
Na tonga izy dia voaroaka tsy ilaiko intsony
Nahoana ny samy olombelona no hifanindry toy izany
Toa tena sarotra afenina ity fitiavana efa lany

Tiako amboarina kely ny toetran’izy ireo
F’iza moa aho no handahandahatra
Ireo izay toy ny anjely toa devoly rahateo
Nefa izaho miteny hoe

Sarotra be ny hoe: ny tsy hila azy intsony
Enjana be ny hoe: ny tsy hitia azy intsony
Mazana be ny hoe: ny hiaina tsisy vehivavy, vehivavy...

Tonga izaho dia niova fa tena tsy tantiko intsony
Ireo lambako efa niofon’ny ranomaso tsy tony
Navelako ireo fiafiana sy fandeferana
Izaho tsy hangingina fa hotadiavina

Tonga dia homeko raha mitaditady ahy
Raha sendra misekoseko izaho ho ratsy fanahy
Raha mampifilafila dia ny saina amboarina
F’izaho tena tsy mila ampitonantonanina

Tiako ovaina kely ny fisainan’izy ireo
F’iza moa aho no handahandahatra
Ireo izay toy ny anjely toa devoly rahateo
Nefa izaho miteny hoe

Sarotra be ny hoe: ny tsy hila azy intsony
Enjana be ny hoe: ny tsy hitia azy intsony
Mazana be ny hoe: ny hiaina tsisy vehivavy, vehivavy...

Maro ny lehilahy malemy fo
Misedra ny alahelo, maratra fo
Ka ny ainy manontolo, ho simban’ny olona iray
Avelao ny fo, ny saina ampiasao

Sarotra be ny hoe: ny tsy hila azy intsony
Enjana be ny hoe: ny tsy hitia azy intsony
Mazana be ny hoe: ny hiaina tsisy vehivavy, vehivavy... ROLF

Partager sarotra be ny hoe

Commenter sarotra be ny hoe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite