4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ombalahy - ROLF

OMBALAHY


Teraka teto Madagasikara aho
Mbola kely dia efa nanidina tany amin’ny sisiny aho
Nahita gadona bobaka eran’ny tany
Natambatro ho ahy izay mba tiako ka nentiko avy any

Tafaverina àry aho, feno ny kitapoko
Nitrandraka ireo fakako sy ireo vakoko
Ela ny ela ka izay vao voatsakotsakoko
Aleo avoaka amin’izay ilay adalàko...

SALEGY FUNK ny anarany, tsy ho vitan’ireo be kintana
Raha tazotazomin’ialahy izy, tsy tàna vao mainka miridana
Ka alaivo tahaka raha mahasahy fa io dia tsy ho zakan’ialahy
Hainoy tsara ka ankafizo, avoahay ilay biby ao anatin’ialahy e!

Boay kely teto Madagasikara aho
Ela be no niodina tany amin’ny sisiny aho
Nitendry gadona bobaka hitako tany
Mavesatra ihany no tena tiako tamin’izany

Fa raha ny amiko manokana aloha dia aleoko manao izay nataon’ny sasany
Hamerina ny efa vita ve sa hamorona sy haka fafiny?
Fa sady leo aho no kivy aho no sosotra mihaino mijery ireo haino aman-jery
Ka naleoko nalamina kely fa raha vao misisika vao mainka tery

Mitaky talenta io mitaky fahaizana fa tsy ataotao foana
Fa tsy resaka vola sy matrakazy no andeha hampiteny ny moana
Fa ny antsika moa raha vao sendra miteny, lazaina hoe “miseho milay”
Tsisy resaka tiana io zalahy fa mahay na tsy mahay!

Efa tsy hay dia tsy atao, izany no tena teny filamatra
Hampandrosoana an’i Dago dia aleo ny matianina no asandratra
Tsy hanaonaonao foana fa miasa sady mikaroka
Ho hitanao eo ny vokany: ombalahy be tandroka e!

ROLF

Partager ombalahy

Commenter ombalahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite