4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandrakizay - Rolf

MANDRAKIZAY



Raha hisy tsy mety ao @ fiainako
Tsy maintsy hitodika aminao, ny tenako
Kanefa izaho, dia hitandrina mafy
Tsy handroso @ làlana ahiako, ho ratsy

Raha ho tsara ny fiainako, dia tsy hanadino anao aho
Hisaotra anao lalandava re, ho mandrakizay
Handanja ny tsara, sy handanja ny ratsy
Rehefa eo an-tsampanan-dàlana aho, dia hisaina mafy

Ref
Hino anao, hanompo anao
Hitia anao, hahatoky anao
Hino anao, hanompo anao
Hitia anao
Hino anao, hanompo anao
Hitia anao, hahatoky anao
Hitia........


Handroso ny taona, hahita ny fiainana aho
Hanatrika ny sedra rehetra, ny tenako
Hahita fitia, sy namana koa
Ho betsaka ny hamadika ahy, fa ny marina no ho maro

Ref

Ho antitra koa, ho maro taranaka
Ireo no homeko ny tsara indrindra, ho mandrakizay
Dia ho lasa aho, hamonjy anao re
Fa ny feoko hijanona ety, sy ny aingam-panahiko



ROLF

Partager mandrakizay

Commenter mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite