4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manantena - ROLF

MANANTENA




Hisara-toerana izao isika ka manantena anao mafy aho tsy hanadino ahy, hisara-toerana ela be ka samy ho irery ela be, ny alahelo be dia be. Vao hitako ianao dia tena tiako na dia efa fantatro aza fa ho vetivety ihany ny fotoana hijanonako eto satria ny fiainako dia any, hiverina aho indray andro any.
Fa ny fitiavantsika, manantena aho fa tsy ho simba. Manantena koa fa tsy hiova isika roa.
Izaho dia handeha hiady any ampita lavitra any, tsy hanadino anao. Izaho anie ka manantena, menantena anao ihany hiandry ahy.
Ny nofinofiko dia ianao hamonjy ilay tranoko mangina lavitra any. Izay angamba vao ho manja ilay fiainako mangatsiaka, ho afanaintsika roa. Manantena aho. Ny fitiavantsika roa haharitra mandrakizay. Tiako ianao. Tiako ianao.



ROLF

Partager manantena

Commenter manantena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite