4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahavariana - Rolf

MAHAVARIANA




Mba mahavariana loatra ilay fihetsika indraindray
Tia mafy diso tafahoatra nefa mody fanina indray
Te hiteny mafy hoe « avia aty fa misy revy milay be ho an-dry »
Nefa tafalaza tsotra hoe « te ho namanao aho »

Kely dia efa voatefy tsy hilaza izay voarara
Ny ao an-tratra nefa tsy ho voafefy, hokobonina mankarary
Te hiteny mafy hoe « avelao aho hameno oroka ny vatanao »
Nefa tafalaza tsotra hoe « tena namanao aho »


Nahoana iky no moana ity foko ity
Tsy afa milaza izay tsapany tokoa
Lasa miakatra ao an-doha


Mpinamana akaiky, nifankahalala hatrizay
Mety hisy ny tsy hanaiky ngo dia mamoa fay indray
Te hibitsika mafy hoe « andao anie isika sy ianao handeha lavitra be »
Nefa tafalaza tsotra hoe « tena namanao aho »


Nahoana iky no moana ity foko ity
Tsy afa milaza izay tsapany tokoa
Lasa miakatra ao an-doha


Mba mahavariana loatra ity fitiavana ao am-po
Mangotraka mandraotra, mankarary an-doha
Te hivoady mafy hoe « tsy ho azo intsony ity foko tsy mba nohainoina »
Nefa tonga saina ho azy hoe « tena tia an’azy aho… »





ROLF

Partager mahavariana

Commenter mahavariana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite