4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny foko ve no adala - Naly Rakotofiringa

(mpihira lahy tokana)



Ny foko ve no adala

Ka mifikitra tsy miala

Sa tsy mety ho vahana

Amin-javatra raràna

Sa ilay toka-nofinidy

No tsy mamy fa mangidy

Saingy zavatra efa tiana

Ka iniako hikipiana ./.



      ( refrain )

           Ny iriko mba ho anjara

           No lazaina fa tsy tsara

           Ilay nambabo ny fanahy

           Nofefena tsy ho ahy

           Asa lahy izay hihantra

           Sy hanjoy ity fo mahantra

           Na mba hisy fitsaboana

           Na hijalijaly foana        ( miverina in-2 ny refrain)





(miverina amin’ny tonony any amin’ny voalohany)



Ny foko ve no adala

Ka mifikitra tsy miala ......

......


Partager ny foko ve no adala

Commenter ny foko ve no adala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite