4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - vavaka ho an'i neny - Naly Rakotofiringa

Hotahiana anie i Neny

’Zay nitondra folo volana

Nahitako ny masoandro

Sy ny kintana amam-bolana



Dia i Neny izay nanoro

Sy nampianatra nivavaka

No angatahiko amin’ny Ray

Ny fitahiana tena miavaka



Refrain :

Ny tànanao nanambitamby

Lamosinao nibaby

Ny tratranao fiondànana

Nahitako fiadanana

Ho tahiana anie ry Neny,

Ireny rehetra rehetra ireny



Hivavahako mihitsy

Ny any ambony mba hitahy

’Reo molotrao ’zay efa zatra mitsiky

Sy manoroka ahy



Mbola hotahiana koa

’Reo masonao manganohano

Rehefa misy alahelo

Dia toy ny dobo feno rano



Refrain.....



Angatahako mihitsy

Mba ho re hatrany an-danitra any

Ny ahavelomanao ry Neny

Mba hateza sy haharitra



Satria raha eo ianao, fiadana-fitosiana

Fa ny kamboty mbola kely no

tena fara-fahoriana.

Partager neny - vavaka ho an'i neny

Commenter neny - vavaka ho an'i neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite