4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Betafo - Naly Rakotofiringa

         Ao an-drefan’Antsirabe

         Misy tanana tsara faleha

         Iny avaran’Andraikiba

         Ny lalana dia madiva

         Ho tazana ireo voly

         Maintso mavana voakolikoly

         Na ny lemaka na ny havoana

         Tsara aok’izany ’zay manoloana

         Tsy hitahita akory dia indro ’reo tafo

         Io no tananan’ny BETAFO        



         Hafa indrindra i BETAFO

         Fa lazaiko anao marimarina

         Ao no misy ilay dobo

         Atao Tatamarina,

         Eo ambony antsinana

         Milahatra toy ny toko

         Tendrombohitra telo hatao: Ny avoko

        

         Antatafo ve, mba fantatrao

         Tsy aiza fa ao avaratry ny tanana

         Ao andrefana kely no misy

         No misy an’ Andranomafana.

        

Partager betafo

Commenter betafo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite