4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eritreritra fahavaratra - Naly Rakotofiringa

         Mijononoka moramora ny orana avy hariva

         Ny alina madiva

         Hamonto an-torimaso ny lanitra sy ny tany

         Ka hitondra any ho any, any ho any, nefa aiza?

         Aiza ho aiza, ry fanahy ? toa reraka manahy?

         Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao?

         Izay mameno, no injao

         Mihodikodina ao am-po, mihodikodina ao an-tsaina

         Toa rano nafanaina

        

         Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory

         Ny jiroko

         Matory izay rehetra manoloana ny masoko mahery

         Aiza ho aiza no miery?

         Ry fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?

         Avia mamoka feo

         Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao

         Izay tena teninao

         Dia ho fantatro avokoa izay rehetra hafenina ahy

         Mitenena ry fanahy

        

         Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany

         Mangina koa ny tany

         Ka hatrao anatiko ao, tsy misy reko intsony,

         Tsy misy tsy mba tony

         Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be

         Ny fitiavako handre

         Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra

         Tsy mbola tena sambatra

         Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina

         Ka he! mitaintaina!

        

         Mihamalemy moramora ilay orana avy hariva

         Ny andro dia madiva

         Hamoha ny torimason’ ny lanitra sy ny tany

         Ka hamerina avy any

         Avy any, nefa avy aiza? avy aiza ry fanahy

         Toa trotraka, manahy

         Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao

         Izay namonto no injao

         Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina

         Toa rano nafanaina.

        

         Ludger

Partager eritreritra fahavaratra

Commenter eritreritra fahavaratra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite