4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy farany - Naly Rakotofiringa



          Ny zavatra atomboka rehetra

          Dia hifarana hatreo amin’ ny fetra

          Efa fantatrao, f’izay miandoha

          Dia mbola hisy farany koa

          Ny mateza dia tsy misy firy

          Fa na misy aza, angamba dia kiry

          

          Ny endrika sy bika soa

          Dia samy ho simba avokoa

          Na tanjaka na hery

          Dia mihena ary koa mihavery

          Satria, raha tonga amin’ ny fetra

          Dia hifarana toy ny rehetra

          

          Na ireo hira, na ny feo manga

          Tsy hisalasala fa angamba

          Rehefa lany ny tsirony mamy

          Dia ho adino indray andro any

          Hembonembona sisa hampitsetra

          Hisolo hafa toy ny rehetra

          

          Na rano mandeha eny an’ony

          Ireo voninkazo mamony

          Ny vorona, mikalokalo

          Tsy hitoetra ao, fa samy handalo

          Handao toy ny zava-drehetra

          Rehefa tonga ny andro voafetra.

          

          Ilay fitiavana manga aok’izany

          Noheverina fa tsy ho lany

          Tamin’ ny andron’ny volan-tantely

          Dia hifarana tsikelikely

          Satria angamba izay niandohana

          ka tsy maintsy hifarana ihany.

          

          Mpihira : Ludger - Jeanne Naly

Partager misy farany

Commenter misy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite