4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sakafo mendrika - Naly Rakotofiringa





         Mba fantatro ve ramatoa

         Fa ny fahaiza-mahandro koa

         Ilaina aminao mana-tokantrano

         Ka amboamboary fa aza kamo

        

         Hitadiavo hevitra miaingitraingitra

         Ny atody, ny anana sy vinaingitra

         Ampiasao mba hanana endrika

         Sy hanamboary sakafo mendrika

        

         Aza hadinoina ny nentin-drazana

         Amboary tsara fa be karazana

         Toy ny hena ritra sy ny lasary

         Maro mpitia raha hinanam-bary.

        

         Rehefa avy vizana mikorana

         Ny vary amin’anana atao mafana

         Raha toa ravitoto no atao matetika

         Asio trafon-kena voatetitetika

         Ny trondro gasy sy tavin-kena

         Endaso tsara ho menamena

         Asio tongolo sy dipoavatra

         Handramo kely fa tena zavatra

        

         Fatratra koa ny taolam-pifika

         Kanefa ny nify no sao dia mipika

         Ity anefa no hiadiko varotra

         Kendreo ny sira fa tena zavatra.

        

         Rehefa mivelatra ny latabatra

         Avelao ho hita indray mitambatra

         Ny tsiro, ny hanitra sy ny endrika

         F’izay no atao hoe sakafo mendrika

        

         Jeanne Naly - Fara

Partager sakafo mendrika

Commenter sakafo mendrika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite