4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - Naly Rakotofiringa

(Duo lahy sy vavy)



Io ilay vorona mivimbina hafatr’ho anay

Tonga soa, ny hafatra koa dia voaray

Any ampitan-drano mantsy no misy azy ireo

Ny endriny miafina fa heno kosa ny feo



Vorona ô, mahita ireo havan-tsy foy

Modia ianao ka dia mba kalokaloy

Raha misento hoe ny any, ny aty mitomany

Mbola hihaona any indray andro any

      

             Izy vitsika momba kitay

             Lasa lavitra avy eto aminay

             Izahay nilaozan-tsakaiza

             Te handeha nefa tsy afa-mankaiza

     (mpihira vavy ihany no mihira manomboka eto ; ny mpihira lahy manao huuummm.....;)  

              Izy mipitrapitra irery

              Dia mihevitra tena ho very

              Izahay maniry ho any

              Nefa lavitra loatra ny tany



( Mozika piano fotsiny manao ny feon’ny   "Ilay vorona...."  

hatreo amin’ny    "....miafina fa heno kosa ny feo" )

  

    (miaraka duo indray eto)



Vorona ô, mahita ireo havan-tsy foy

Modia ianao ka dia mba kalokaloy

Raha misento hoe ny any, ny aty mitomany

Mbola hihaona any indray andro any.




Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite