4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lehilahy - NALY RAKOTOFIRINGA

NY LEHILAHY

Raha toa lehilahy no tsy mety hanambady dia fantaro
Fa mbola te hilalao mbola te hifangaroharo
Kanefa tsarovy tsarovy
Fa tia tena
Ka mampahonena
Mandositra adidy
Tena mangidy
Ireo sorisory
Hevero fa mampahory

Heveriny angaha fa raha toa ka mijanona amin’izao
Dia afaka hanao zay rehetra tiany hatao
Marina izany kanefa
Tsisy mpifehy
Ka mampihomehy
Manao adalana
Mila tsy ho tana
Tsisy lalàna
Ho entin’ny hatanorana

Maro no efa nivoady
Hijanona tsy hanambady
Kanefa aiza izy izao
Hoy ianao
Ny loha efa sola
Tsy afa-midola
Ny zaza vao miana-mandeha

Fatra mpifantina loatra
Farany tsy afa manoatra
Tsy hankaiza anie
Hitovy ihany ange
Ny tombony angaha
Ny tombony angaha
Antitra vao mitaiza rangahy

Partager ny lehilahy

Commenter ny lehilahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NALY RAKOTOFIRINGA

Suite