4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny vola - Naly Rakotofiringa

Mahay mahandro izay manan-tsira

Ary ny manam-bola manirakira

’Zay manana ny ampy sahisahy

Ny tsy manan-katoraka tsy rangahy



Tsarovy anefa fa ny vola dia iri-mahaory

’Zay manam-be mazana tsy miadana akory

Marokoa ireo toa jerena ho mpanjato

Kinanjo mamiratra ihany

Tsy azo handraofana toa rano an-tanim-bato

Mamiratra raha tazanina

Marevaka ivelany ihany

Ny tokan-trano tsy vanombanona

Izany no maro eto an-tany

Partager ny vola

Commenter ny vola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite